Jiolahy folo nitondra basim-borona sy zava-maranitra no tonga nanafika tany amin’ny tanàna antsoina hoe Antsakomaro, fokontany sy kaominina ambanivohitra, Mangabe, ato anatin’ny disitrkan’i Maevatanà, no nisehoan’izany, ny alakamisy 20 Aogositra lasa teo, tokony ho tamin’ny folo ora alina. Avy hatrany dia niditra an-keriny tao amin’ilay tanàna voalaza etsy ambony ireto malaso ireto. Sady nanapoaka basy izy ireo no nitsoka kiriririoka, nentina nandemena ny iray tanàna. Nivoaka ny trano ny Jamà iray sy ny olona telo hafa, rehefa nahare ny poa-basy sy ny fanafihan-dahalo. Ka teo no nitifiran’ireo dahalo azy ireo. Vokany: maty tsy tra-drano ilay Jamà, raha naratra mafy kosa ireto olona telo. Ireo jiolahy kosa tesy an-daniny nandroba ny omby tao am-bala, ka lasan’izy ireo nandritra izany ny omby folo teo an-tanàna. Tsy naharitra ela ireto farany, fa nitsoaka avy hatrany rehefa nahazo ny omby. Efa nanomboka taitra ny teo amin’ny manodidina raha nandre ny feom-basy sy nahita ireto olona efatra nitsirara teo amin’ny tany. Tonga ihany koa ny Zandary iray “Chef de poste” any an-toerana, raha vao nampandrenesina ary tsy niandry ela fa niroso tamin’ny fanenjehana ireo malaso. Efa lasa lavitra anefa ireo vao nifankatratra tany amin’ny distrikan’Ambatoboeny, ka raikitra ny fifandonana teo amin’ny roa tonta. Tsy naharesy tosika ny jiolahy, ka lasa nandositra, ary raraka avokoa ny omby rehetra. Nezahan’ny fokonolona nentina any amin’ny hopitaly Abatoboeny kosa ireo olona telo naratra voatifitra. Ny Jamà maty moa efa nanolotra ny fianakaviany. Mitohy hatrany fikarohana ireo jioalahy.
Ratantely