- Publicité -
dimanche, juin 15, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Asan-dahalo, vehivavy bevohoka natao takalonaina

Antsalova : Asan-dahalo, vehivavy bevohoka natao takalonaina

Mirongatra indray ny tsy fandriam-pahalemana any amin’ny distrikan’Antsalova, faritra Melaky. Mihantsy ady amin’ireo mpitandro ny filaminana ireo dahalo hany ka mampihorohoro fatratra ny vahoaka. Ny alahady lasa teo, omby an-jatony mahery indray no nisy nanafika tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Sahoany. Fantatra ihany koa fa nisy vehivavy bevohoka iray nentin’izy ireo natao takalonaina, hihantsiana ady amin’ireo tompon’omby sy ireo mpitandro ny filaminana. Nandray fanapahan-kevitra araka izany ny vatan-dehilahy nombana zandary nandeha hanaraka ny dian’omby mba hanafahana ireo omby sy ilay vehivavy voatàna. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta. Vokany: lehilahy mpanara-dia iray no maty tsy tra-drano voatifitr’ireo dahalo teo amin’ny fihirifany. Ireto farany izay votsotra ihany koa, dia mbola namafy ady tamin’ireo mpanara-dia ihany ny amin’ny tsy hamelan’izy ireo mora foana ny raharaha. Andrasana araka izany ny mety ho tohiny.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici