- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsalova : Mangataka toby miaramila

Antsalova : Mangataka toby miaramila

Miaina ao anatin’ny tebiteby lalandava  ny mponina ao amin’ny distrikan’ Antsalova, raha tsy hilaza fotsiny,  fa tamin’ny volana aprily ity dia nahitana halatr’omby in-droa  nisesy tany an-toerana, sy  fanafihana taxi-brousse. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity fanafihana fiara ity. Mifanohitra amin’izany ilay halatr’omby miisa 25, ka mpanara- dia iray sy dahalo iray no naratra ary tafaverina tamin’ny tompony ny omby 25 vokatry ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana.

Eo anatrehan’izao tsy fandriampahalemanaizao, dia mangataka tobim-miaramila ny mponina any an-toerana ho fanatevenana ny polisy sy ny zandary efa any an-toerana.Fantratra ihanykoa, fa vokatr’io tsy fandriampahalemanaio, dia efa tsy vitsy ireo fandaharan’asa sy tetikasa misy any an-toerana no efa nitsoaka an-daharana ka mihantona ny asa, manampy trotraka  izany ny faharatsiana ny lalana izay mampidangana ny entana ilain’ny  mponina an-davanandro, sy ny famatsiana isan-karazany, ka anisan’izany ny fanafody.

Anastase

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici