- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsalova : Mangataka toby miaramila

Antsalova : Mangataka toby miaramila

Miaina ao anatin’ny tebiteby lalandava  ny mponina ao amin’ny distrikan’ Antsalova, raha tsy hilaza fotsiny,  fa tamin’ny volana aprily ity dia nahitana halatr’omby in-droa  nisesy tany an-toerana, sy  fanafihana taxi-brousse. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’ity fanafihana fiara ity. Mifanohitra amin’izany ilay halatr’omby miisa 25, ka mpanara- dia iray sy dahalo iray no naratra ary tafaverina tamin’ny tompony ny omby 25 vokatry ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana.

Eo anatrehan’izao tsy fandriampahalemanaizao, dia mangataka tobim-miaramila ny mponina any an-toerana ho fanatevenana ny polisy sy ny zandary efa any an-toerana.Fantratra ihanykoa, fa vokatr’io tsy fandriampahalemanaio, dia efa tsy vitsy ireo fandaharan’asa sy tetikasa misy any an-toerana no efa nitsoaka an-daharana ka mihantona ny asa, manampy trotraka  izany ny faharatsiana ny lalana izay mampidangana ny entana ilain’ny  mponina an-davanandro, sy ny famatsiana isan-karazany, ka anisan’izany ny fanafody.

Anastase

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici