Renim-pianakaviana iray no lasan’ny dahalo, nataon’izy ireo takalonaina ny talata lasa teo, raha avy nanafika tao amin’ny tanàna antsoina hoe Ankotrofotsy, ao amin’ny distrika Antsalova ny dahalo am-polony tany ho any. Tokony ho tamin’ny enina ora maraina teo no nahazo antso ireo mpitandro filaminana tamin’izany toerana izany, ny amin’ny fisian’ilay fanafihana. Araka ny fampitam-baovao azo, dia nahatratra teo amin’ny roapolo lahy latsaka teo ireo olon-dratsy, nirongo basy. Tifitra variraka no nentin’izy ireo niditra ny tanàna ka nampisahotaka ireo mponina, izay vao avy nifoha indrindra tamin’ny torimasony. Maro ireo nanakatom-baravarana ka nanao izay danin’ny kibony nandroaka ireo omby tao an-tanàna izy ireo. Tsy vitan’ny omby ihany anefa nisy renim-pianakaviana iray, niaraka tamin’ny zanany vao enim-bolana monja no nentin’izy ireo niaraka taminy. Nentina nampitahorana ireo olona mikasa ny hanara-dia azy ireo.
Hany herin’ireo mponina, dia niantso avy hatrany ireo mpitandro filaminana tany an-toerana izay avy hatrany dia nandray ny andraikiny nidina teny an-toerana. Raha ny vaovao hatrany dia nifankatratra teo amina kizo iray (lalana tsy maintsy hizoran’ireo dahalo mitondra ny omby halatra) ny roa tonta. Velona teo ny fifandonana, fa tsy nanaiky mora ny hisamborana azy ireo, ireo olon-dratsy. Na dia maro aza anefa ireto farany, efa zatra ady tanteraka ihany koa ireo mpitandro filaminana ka nisy maromaro tamin’ireo mpangalatra no lavo. Nirifatra nitsoaka kosa ireo ambiny. Votsotra teny am-pelan-tanan’izy ireo araka izany ireo omby nangalarina. Avotra soa aman-tsara ihany koa izy mianaka, izay salama sy tafody soa aman-tsara tany an-tokantranony, raha ny fampitam-baovao hatrany.
m.L