- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Olona efatra maty voatifitra, iray hafa naratra

Antsalova : Olona efatra maty voatifitra, iray hafa naratra

Olona efatra no maty voatifitra, ka dahalo ny roa raha olon-tsotra kosa ny roa hafa , olona iray koa naratra voatifitra, nandritra ny fifandonana teo amin’ny mpanara-dia sy ny mpangalatra omby. Tao amin’ny fokontany Masiaposa, kaominina Bekopaka, disitrikan’ Antsalova no nisehoan’ny halatra, ny Zoma 19 Aogositra 2017 lasa teo, tokony ho tamin’ny 09 ora maraina. Araka ny fanazavana voaray avy tamin’ny mpitandro ny filaminana, 30 lahy nitondra basim-borona 20 no nandroba omby 20 . Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana, ka nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, tao amin’ny fokontany Berano. Dahalo roa no maty voatifitra ary nisy mpanara-dia roa hafa namoy ny ainy ihany koa niampy olon-tsotra iray naratra. Nidina tany an-toerana ny Zandary avy ao Antsalova nanao ny fizahana sady niambina kizo. Nalefa any amin’ny hopitaly Antsalova ny naratra. Ny Zandary avy ao Antsalova no misahana ny fanadihadiana.

Ratantely

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici