- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAntsalova : Olona roa voatifitra, trano 20 mahery may kila forehitry ny...

Antsalova : Olona roa voatifitra, trano 20 mahery may kila forehitry ny afo

Tsy andro mazava, tsy alina, fa mandravarava ny dahalo mitam-piadiana any amin’ny Faritra Melaky ankehitriny, ka mandry andriran’antsy mihorohoron’ny tahotra saika isan’nandro ny mponina. Afak’omaly naraina, nidiran’ny dahalo indray tao amin’ny kaominina ambanivohitr’i Bekopaka, any amin’ny distrikan’ Antsalova, ka olona roa no voatifitra tao Antsarolo. Rehefa avy nandraoka ny omby sy ireo entana saro-bidy tiany sy zakany teo an-tanàna ireo malaso, dia nandoro trano, ka trano 20 isa mahery niaraka tamin’ny fananana rehetra tao anatiny no may kila forehitry ny afo. Araka ny tati-baovao voaray, dia fianakaviana manodidina ny 120 amin’izao no tsy manan-kialofana, tsy misy trano hatoriana sy ipetrahana.

Eric Manitrisa

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici