- Publicité -
mercredi, septembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsampanimahazo : Fifamaliana niafara tamin’ny vono olona

Antsampanimahazo : Fifamaliana niafara tamin’ny vono olona

Ny tendrom-po tokoa tsy mba namana raha ity tranga tany Faratsiho ity no jerena. Ny andron’ny alarobia teo mantsy dia lehilahy lehibe iray mananiky ny 66 taona no namoy ny ainy taorian’ny fifamaliany tamina tovolahy iray 25 taona. Niafara tamin’ny fifampikasihan-tanana ny raharaha ary tonga hatramin’ny fampiasana zava-maranitra mihitsy.

Azo heverina fa mety tao anaty fisotrosotroana no niantombohan’ny disadisa teo amin’izy roa tonta ireto. Tsy voalamin’ireo mpanatrika intsony mantsy fa efa niakatra avo dia avo dia ny mari-pana teo amin’ireo mpifanandrina. Tamin’ny 9 ora alina no nampandre ny zandary ny kartie mobila tao Bevoanatsindrana, fokontany Ambatodidy, Antsampanimahazo, Faratsiho satria efa rà mandriaka no tao an-toerana. Nifanindrona antsy sy nifampikapa tamin’ny zava-maranitra ny roa tonta ary samy voa. Ilay mbola tanora voaratra teo amin’ny lohany ary ny an’ilay ingahilehibe kosa voatsindron’antsy sy niaraka tamin’ny ratra maromaro teo amin’ny lohany izay nitondra azy tamin’ny fahafatesana.

Marihana fa efa izay toe-javatra izay : rà mandriaka sy vatana mangatsiaka nihosin-drà no novantanin’ireo zandary tonga tao an-toerana. Natao avy hatrany moa ny fitsirahana ny razana nataon’ireo mpitsabo. Ary nosokafana ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity.

m.L

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici