Ny alarobia alina lasa teo, notongavana andian-jiolahy maromaro ny trano fandraisam-bahiny iray ao Antsanitia, Mahajanga. Vola an-trapitrisa mahery no lasan’ireo olon-dratsy tamin’izany. Tsy vitan’izany anefa fa mbola nodarodarohana ihany koa ny teratany vahiny tompon’ny hôtely, niaraka tamin’ireo vazaha telo namany. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no niditra an-keriny tao amin’ity hôtely iray tao Antsanitia, Belobaka Mahajanga ity ny jiolahy tsy fantatr’isa, mirongo basy sy misaron-tava. Raha ny fampitam-baovao azo dia fantatra fa basy vita tanana no nentin’ireto olon-dratsy ireto tamin’izany fanafihana izany. Ny vola avy hatrany no notakian’ireo olon-dratsy tamin’ireto teratany vahiny tao an-toerana, niaraka tamin’ny fandrahonana ny hotapahana ny filahiana raha tsy manaiky izay zavatra takian’izy ireo. Na dia teo aza anefa izany dia nanda hatramin’ny farany ireto vazaha fa tsy misy vola mipetraka tao amin’ilay toerana. Niainga teo amin’izany ny daroka sy ny vono isan-karazany, fa tsy tonga tany amin’ilay fandrahonana, raha ny vaovao voaray. Peratra volamena roa, izay mitentina eo amin’ny 30.000 euros teo ho eo, niampy firavaka volafotsy tombanana any amin’ny 3.000 euros, « tablette » iray ary vola malagasy telo hetsy ariary. Azon’ireo izay dia lasan’izy ireo. Taorian’izay moa vao afaka niantso vonjy ireo voatafika. Nidina avy hatrany teny an-toerana moa ireo mpitandro filaminana, nijery ifotony ny zava-nisy ary nanao savahao ny manodidina, hikarohana ireo olon-dratsy. Nalefa avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana kosa ireo teratany vahiny naratra, vokatry ny vono nahazo azy ireo.
m.L