- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsiarabe : Efatra mianadahy nilatsaham-potaka, iray maty  

Antsiarabe : Efatra mianadahy nilatsaham-potaka, iray maty  

Namono olona indray ny varatra teto Antsirabe, efatra mianadahy no indray nilatsahan’ny varatra, vavy kely iray no namoy ny ainy. Tao amin’ny fokontany Ambohitsarabe Antsirabe I no nisehoan’ny loza ny tolakatron’ny Talata 9 Febroary lasa teo. Nirava avy nianatra izy efatra mianadahy ary namonjy fodiana. Tokony ho tamin’ny 3 ora tany ho any samy efa tao an-trano avokoa izy efa mianadahy. Poa tahaka izay, nirefotra ny varatra toa ireny indray mipihi-maso ireny ny fisehony araky ny filazan’ny niharam-boina. Voalaza fa nitety efitrano mihitsy ilay varatra. Torana tsy nisy nahatsiaro tena izy efatra, ankizy iray koa no may vokatry ny fianjeran’ny vilany nisy tsaramaso nangotraka teo andavarangana. Zazavavy kely 11 taona iray tamin’izy efatra no tena voa mafy, nezahina noentina teny amin’ny toeram-pitsaboana saingy teny andalana dia tsy tana intsony ny ainy. Mbola manaraka fitsaboana ny iray raha toa ka efa nivoaka ny hopitaly kosa ny roa. Matetika no hilatsaham-baratra ity faritry ny fokontany ity, isan-taona misy hatrany ny varatra milatsaka.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici