- Publicité SW45 -
dimanche, mai 19, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversANTSINANANA :  FOULPOINTE / HOSOLONA VAOVAO NY BIRAON`NY KAOMININA

ANTSINANANA :  FOULPOINTE / HOSOLONA VAOVAO NY BIRAON`NY KAOMININA

Kaomimina roa amin`ny faritra Antsinanana, Distrikan`ny Toamasina faharoa no hahazo tombony lehibe amin`ny fanavaozana ny birao dia ny kaominina  Antetezambaro sy ny kaominina Mahafaly Foulpointe, tafiditra ao anatin`ny tetikasa PIC 2 izay vatsian`ny banky iraisam-pirenena vola.

Nanomboka ny fihandohan`ny volana May teo ny asa izay tokony haharitra 7 volana ny fanamboarana azy. Mandra pahavitan`ny fotodrafitrasa dia nafindra eny amin`ny ‘centre sociaux’ ny biraon`ny kaominina ao Foulpointe.

Tsy fanavaozana no hatao ho an`ny kaominina Mahafaly Foulpointe manokana fa horavana tanteraka ny fotodrafitrasa misy ankehitriny ary hosolona vaovao tanteraka.

Efa trananiny loatra ary tsy mifanaraka amin`ny raharaha misy eo anivon`ny kaominina ny birao ankehitriny ka rariny raha asiam-panavaozana sy fanitarana ny fotodrafitrasa hoy Ranaivoson Sampy Elin ben`ny tananan`ny Foulpointe raha nitafa tamin`ny mpanao gazety.

Tsy nanana birao manaraka ny fenitra ilaina avokoa rehefa sampandrahara misy amin`ny birao ankehitriny, hatramin`ny sampandraharaha teknika sy ny fitantanam-bola izay niteraka fahasarotana teo amin`ny fanatanterahana ny asam-panjakana sy ny famalina ny filan`ny vahoaka. Ho afapasahiranana noho ny izany ny mpiasa aorin`ny fahavitan`ity fotodrafitrasa goavana ity.

Maro ny dingana nolalovana talohan`ny nahazoana ity tetikasa ity  hoy hatrany ny ben`ny tanana ka isaorana manokana ireo rehetra niara nisalahy satria tombony lehibe ho an`ny kaominina Mahafaly  Foulpointe izao fanavaozana ny biraon`ny kaominina izao.

Faritra iray isan`ny be mpizaha-tany indrindra eto Foulpointe ka rariny raha manana fotodrafitrasa mifanaraka amin`ny ilain`ny vahoaka sy ny tanana.

Mampitaraina ny maro kosa ny faharatsian`ny lalana miala eo Toamasina hihazo ny kaominina Foulpointe, andaniana ora telo izany ankehitiny  raha toa ka ora iray no nanaovana azy teo aloha.

Andry N

- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici