- Publicité -
mercredi, septembre 23, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsAntsirabe Ambonivohitra : Nametra-pialana ny ben’ny tanàna

Antsirabe Ambonivohitra : Nametra-pialana ny ben’ny tanàna

Nandritra ny fananganan-tsaina fanao isaky ny alatsinainy maraina no nanambaran’ny ben’ny tanànan’Antsirabe Rasamimanana Honoré Gabriel ny fametraham-pialany amin’ny maha ben’ny tanàna azy.

Tsy mbola misy hatreto ny fanazavany izao antony izao fa fisaorana sy fankatelemana tamin’ireo mpiara-miasa aminy no nataony io marainan’ny alatsinainy io.

Somary efa nampoizina ihany izao zava-nitranga izao satria niely ny feo fa hosoloina PDS ny ny fitantanana ny kaominina Antsirabe andro vitsivitsy lasa izay. Raha ny fantatra mantsy dia nisy ny fiantsoana ny ben’ny tanàna Dr Unoh  tany amin’ny ministeran’ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana talohan’izao fametram-pialany izao, tombana ihany no nilazana izany saingy nitombona izy ity ankehitriny fa dia nametra-pialana tokoa ny tenany. Nambarany fa misy ny fanombohana amin’ny andraikitra ary misy koa ny famaranana.

Tsiahivina fa mbola ao anatin’ny fitokonana ny mpiasan’ny kaominina amin’izao fotoana, anton’ny fitakiana ny tsy fandoavana ny karaman’ny mpiasa 13 volana,  trosa navelan’ny mpitanana tany aloha fa izay mandray ny fitantanana aty aoriana no lasibatra amin’ny fitakiana. Mbola mibaby trosa maro noho izany kaominina amin’ity karaman’ny mpiasa tsy voaloa ity.

Ankoatra izay, maro no mitaraina noho tsy firindran’ny fitantanana  ny tanàna, ny fitobahan’ny fako, ny tsy fandriampahalemana, ny fifamoivozina tsy voafehy noho ny hamaroan’ny mpitondra cyclo posy, ampahany amin’ny tsy fandehanan-draharaha ireo voalaza ireo ka andrasana izay PDS hotendrena eo raha hitondra fanavaozana tsaratsara ho an’ny tananan’ Antsirabe.

Andry N.

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici