Lehilahy iray eo amin’ny 50 taona eo no fantatra fa namono nahafaty ny zanany vavy kely vao herintaona monja. Raha nahafantatra izany no manodidina dia tonga namonjy ilay zaza nikiakiaka mafy nitomany. Niezaka ry zareo nitondra ilay ankizy tany amin’ny hopitaly. Tamin’io fotoana io, efa tsy nahatsiaro tena intsony izy io. Efa tapitra anefa ny ainy tamin’ny fahatongavany tany amin’ny hopitaly. Tamin’ny faha-2 novambra no niseho ity habibiana ity tany amin’ny teorana antsoina hoe Ambohimitsinjo any Antsirabe Avaratra any Vohemar. Teo anoloan’ny zava-niseho, tezitra ny olona tany an-toerana ary dia vonona ny hidaroka an’ilay lehilahy. Soa fa tonga ny manampehefana izay nampandre haingana ny mpitandro filaminana nisambotra an’ilay rangahy. Ny loharanom-baovao hatrany no nahafantarana fa tsy dia milamina loatra ity lehilahy ity. Matetika, hoy hatrany ny vaovao no mamoaka vava izy niteny fa « hovonoiko ianareo ». Fotoana voalaza fa nampihetsika ny « aretiny mahazo azy ». Rehefa natory ilay zanany dia nobatainy avy eo am-pandrina, nentiny tany ivelan’ny trano ary nanaovany herisetra, hoy hatrany ny vaovao.
Nangonin’i r.s.