- Publicité SW45 -
jeudi, mars 28, 2024
AccueilFaits-DiversANTSIRABE AVARATRA : Toherin’ny fokonolona ny fananganana pylône

ANTSIRABE AVARATRA : Toherin’ny fokonolona ny fananganana pylône

Efa niteraka savorovoro tao avaratry ny fitsarana ny fikasana hananganana pylône izay nitarika sakoroka mihitsy, saingy tsy nitsahatra teo ny rahaharaha fa nitady toerana tsy lavitra indray ny tompon’andraikitra hananganana ilay pylône. Tsy lavitry ny fitsarana ihany no hametrahana ity pylone ity fa atsimokelin’ny tribonaly ihany, izay hapetraka amin’ny tanin’olo-tsotra

Tsy manaiky hatramin’ny farany anefa ny fokonolona ny hametrahana io pylône io ary efa  nisy ny dingana natao hanakakana izany. Isan’izany ny fametrahana taratasy fanoherena nalefa amin’ny ambarantonga samihafa ka miandry izay valiny ny fokonolona.

Maro ny fandresen-dahatra natao taminay hoy ireo fokonolona fa tsy nisy nety nanaiky ny mponina ao Antsirabe Avaratra noho ny antony maro samihafa. Tsy hitondra fahasalamana ho anay ny fisian’io plylône io, tsy ho zakan’ny ankizy indrindra fa ireo efa osa ny taratra elektromanetika hoetin’io pylône io ary indrindra ho fitsinjovana ny taranaka any aoriana.

Tsara ny fivoaran’ny teknolojiam-pifandraisana hoy ny voarakitra anaty taratasy fanaoherana saingy tokony jerena akaiky toerana hanatanterahana sy hametrahana azy ireny.

Niezaka ny fokonolona nifampiresaka sy niala nenina tamin’ny tompon’ny tany hanorenana io pylône io mba tsy hisian’ny disadida saingy tsy nahitam-bokany izany.

Andrasana noho izany izay mety ho tohin’ny raharaha.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici