- Publicité -
dimanche, juin 22, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Basy P.A iray sy famahanana 10 saron’ny pôlisy

Antsirabe : Basy P.A iray sy famahanana 10 saron’ny pôlisy

Saron’ny polisy ny basy poleta iray niaraka tamina famahanana 10. Nokasaina hamidy teto Antsirabe izy io no izao tratra izao.  Mitohy hatrany ny hazalambo ataon’ny mpitandro filmanana ireo olona mitazona basy tsy ara-dalàna sy ireo mpanao aferana-fitaovam-piadiana. Efa maro ny tratra ary niaraha nahita ireny ny famotehana azy am-pahibemaso. Mbola maro kosa anefa no mivezivezy sy manafina azy ireny. Toy ity tranga niseho teto Antsirabe ity, olona telo no voasambotra tamin’ny fiandohan’ny herinandro araky ny vaovao nomen’ny polisy. Ny roa amin’izy ireo, dia avy ao Antananarivo ny iray kosa avy eto Antsirabe ary voalaza, fa efa mpamerin-keloka ity farany. Loharanom-baovao avy tamin’ olona tsara sitra-po no nahafantarana fa misy olona ho tonga eto Antsirabe ary hivarotra basy no anton-diany. Nanao ny vela-pandriky ny polisy ka sarona teo Ampihaviana izy telo lahy niaraka tamin’ny basy sy famahana nokasaina hamidy teto.  Omaly alakamisy no natolotra ny fampanoavana ny raharaha.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici