- Publicité SW45 -
vendredi, avril 19, 2024
AccueilFaits-DiversANTSIRABE : BETTER MADAGASCAR  / Manampy ny olona sahirana hahaleo tena

ANTSIRABE : BETTER MADAGASCAR  / Manampy ny olona sahirana hahaleo tena

“Miezaka  mivoatra, mandroso, mahaleo tena”  no teny filamatra hijoroan’ny fikambanana Better Madagascar. Eto Antsirabe ambonovihitra no misy no misy ny foibeny fa Atoa Jacques Andriamanalina mivady  mila ravinahitra  any ampitan-dranomasina  kosa ny filoha mpamorona azy. Tontosa omaly Alatsinainy 19 Desamba tao amin’ny kaominina Antsoatany distrika Antsirabe II ny hetsika voalohany, nampafahantarana ny mponina ny fisian’ny fikambanana sy  ny anto-pisiany. Narahina hetsika fizarana fitaovam-pianarana ho an’ny mpianatra sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavan’andro sy menaka ho an’ny be antitra sy ny olana sahirana ny fotoana izay notarihan’I Atoa Raparison Antsamahery Maximain filoha lefitry ny fikambanana no filoha mpitarika eto Madagasikara ihany koa.

Hifantoka betsaka amin’ny asa sosialy ny fijoroan’ny  fikambanana amin’ny  alalan’ny fampihofanana sy fanovana ny toe tsain’ny olona sahirana.  Tsy hisy fampandrosoana eto amin’ny firenena raha tsy vonona ny hivoatra ara toe tsaina ny olona hoy ny fanazavana ka hobeazina ara tsaina aloha, alohan’ny hamatsiana azy ireo ara pitaovana mba hahafahany mahaleo tena satria ny tanjon’ny fikambanana “Better Madagascar” dia hahaleovan’ny olona iray tena ara pivelomana sy ara pitadiavana fa tsy miandry toloram-potsiny.

hivelatra amin’ny lafin-javatra maro ny hetika aorian’ny fiofanana ara tsaina  satria hisy ny fampiofanan eo amin’ny asa tanana, fambolena ary fiompiana. Tsy mihonona amin’izay anefa ny fikambanana fa  mijery ireo be antitra sahirana sy manampy ireo zaza kamboty amin’ny fiantohana ny fianarany.

Aorian’izao hetsika izao dia hihazo ny Distrika Antanifotsy kaominina Ambohimandroso  ny fikambanana, handalo ao Ambatolampy alohan’ny hivereneny eto Antsirabe ambonivohitra.

Adry N. 

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici