Nanamafy i Mamy Bastah fa mbola mistery ho azy ny nahafaty ny zanany, mbola ao anatin’ny fahafenon-drano ny fianakaviana amin’izao, na izany aza dia afaka namaly tsara ny fanontaniana napetraky ny mpanao gazety i Mami Bastah omaly maraina. Namerina nanazava izy fa mbola niresaka izy mianaka ny sabotsy alina tokony ho tamin’ny 11 ora taorian’ny vavaka hariva fanaon’ny fianakaviana. Tsy niresaka olana izy fa nitantara ny fianarany vao nanomboka herinandro monja, raha ny fantatra mantsy dia sady mianatra izy no miasa ao amin’ny groupe SOCOTA. Ity orinasa ity izay miantoka ny fianany, satria lafo raha ny saram-pianarana. Faly izy nitantara ny fianarany sy ny fiandrandrany ny ho aviny, satria isan’ireo hivoaka ho mpiasa ambony ao amin’ny groupe SOCOTA aorian’ny fahavitan’ny fianarany. Mbola anatin’ny fanadihadiana lalina kosa ny polisy misahana ity fahafatesana ity. Ho an’ny polisy dia mampiahiahy foana rehefa fahafatesana toy izao, mbola sarotra hoy ny fanazavana ny hilaza ny mety ho zava-nitranga marina. Fantatra sy voamarina taorian’ny fizahana nataon’ny BMH sy ny polisy kosa fa ny fahagejan’ilay fehikibo nifatotra teo amin’ny tendany no nitarika ny fahafatesany. Rahampitso alarobia no andro voatondro handevenana ny razana. Izahay eto amin’ny Midi madagasikara /Gazetiko dia mirary fionona feno ho an’ny fianakaviana.
Andry N