Nisehoana halatr’omby tao Andranovelona, kaominina Ambano, distrikan’Antsirabe II ny alin’ny alakamisy lasa teo. Andian-dahalo miisa enina mirongo basim-borona sy lefona no nanatanteraka izany. Nidina teny an-toerana avy hatrany ny zandary raha vao nandray antso tamin’ny fokonolona. Natao ny fanarahan-dia ary nifanehitra tamin’ny mpitandro filaminana ireo dahalo tao amin’ny alan’i Belazao. Raikitra ny fifandonana. Nampitandrina ireo dahalo ny zandary mba hijanona nefa tsy nijanona izy ireo. Vokany, voatery nitifitra ireo dahalo. Tafatsoaka ireo dahalo saingy tafaverina amin’ny tompony ny omby.
Mia-mahazo laka ny halatra sy ny trafikan’omby ao Antsirabe. Ny alarobia lasa teo, omby 38 tsy ara-dalana no tratran’ny mpitandro filaminana tao Antanandava Antsirabe. Efa manao ny fanadihadihana mikasika izany ny mpitandro filaminana.
Voarisoa Davidson