Andiany loharano, izay no anarana nisaloran’ireo mpiofana ho mpikabary nahavita fiofanana nandritra ny valo valana teto Antsirabe.
Nahavita ny dingana isan-tsokajiny izy ireo nialohavan’izao famoahana ara pomba-ofisialy izao. Tanora, ankizy, olon-dehibe samy amin’ny saokajin-taonany avy, miisa 356 no avy hatrany dia misalotra ny Lamba FIMPIMA. Ankoatra izay, miisa 90 kosa no « nanterina » tao amin’ny andiany manokana, hampidirina ho mpikambana raikitra ao amin’ny FIMPIMA izy ireo. Hita taratra amin’itony famoahana mpiofana itony, fa mahasarika ny rehetra ny fianarana kabary, tsy ankizy , tsy tanora eny fa hatramin’ireo olon-dehibe dia liana amin’ity fianarana kabary ity. Manandratra ny kolontsaina maha malagasy rahateo ny fianarana kabary hoy Rtoa Ranaivozandriny Pierette filohan’ny FIMPIMA faritany Antsirabe.
Andry N.





