- Publicité SW45 -
lundi, juin 17, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fatin-dehilahy nitsirara teo am-povoan’arabe

Antsirabe : Fatin-dehilahy nitsirara teo am-povoan’arabe

Hatairana ny an’ny mpandalo raha nahita fatin-dehilahy iray nivalampatra teo amoron’arabe ny alatsinanainy maraina teo tao Ambohidravaka. Manodidina ny 40 taona eo ilay rangahy raha ny tombanan’ny olona, tsy mponina eny an-toerana izy ary tsy misy mahafantatra azy ny manodidina. Taorian’ny fizahana nataon’ny BMH sy ny mpitandro filaminana no nahafantarana fa nisy fahatapahana ny tanany havia sy havanana, toy izany koa ny tongony roa samy tapaka avokoa ny fotony. Tsy nisy nahafantatra ny mety nahafaty ity rangahy ity ny rehetra fa tombana avokoa ny filaza fa mety nisy namono izy na nianjera satria misy andrin-tany teo anilany, na niharan’ny fitsaram-bahoaka sanatria . Nambaran’ny mponina teny an-toerana mantsy fa nisy feo sy kiririoka re ny alin’ny nahafaty io rangahy, nisy feo re nilaza hoe aza « vonoina aza vonoina » hoy hatrany ny loharanom-baovao ary toy ireny misy olona nifanenjehana ireny nandritry ny alin’ny Alahady talohan’ny nahitana ny fatin’ity rangahy ity. Efa naterina teny amin’ny tranom-paty moa ilay razana miandry ny fianakaviany na izay olona mety mahalala azy.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
- Publicité Google Ads.-
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici