- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilRégionsAntsirabe : Fitsarana Ambaratonga Voalohany / Nahazo “procureur” vaovao

Antsirabe : Fitsarana Ambaratonga Voalohany / Nahazo “procureur” vaovao

Tontosa ny alakamisy 24 Septambra 2026 lasa teo ny lanonana ara-pitsarana nametrahana an-dRtoa Randriamanantena Lalaina Harisoa ho toniampampanoa lalàna la “Procureur de la Republique” eo anivon’ny Fitsarana Ambaratonga Voalohany eto Antsirabe.

Novakiana ampahibemaso nandritra ny lanonana ny didim-pitsarana nanendrena azy, narahina fampahafantarana ny fianarana norantoviny sy lalana nodiaviny teo anivon’ny fitsarana.

“Tokony hitovy ny olona rehetra eo anatrehan’ny lalàna, tsy izay manana harena dia hafa ny fijery azy, tokony tsy hitanila fa hiasa ampahamarinana, ary tsy tokony hisy ny fanararaotam-pahefana, hiezaka hampihatra izany, araka ny takian’ny lalàna ny fampanoavana”  io no lahateny natanon’ny Rtoa Tonia mpampanoa lalàna raha nitafa tamin’ny mpanao gazety ny tenany taorian’ny lalonana fametrahana azy.

Ankoatra izay dia  manaraka ny politika ara-pitsarana na “politique penal” ny fitsarana , misy ny apetraky ny ministera izay ampiharina amin’ny tanin’ny repoblikan’I Madagasikara , fa ny misy ihany koa ny politika ara pitsarana manokana apetraky ny isaky ny ambaratongam-pitsarana mifandraika amin’ny zava misy eny ifotony hoy hatrany Rtoa Toniampampanoa lalàna.

Tsy miasa irery ny fampanoavana fa miara-miasa akaiky amin’ireo mpikaroka ny fandikan-dalàna na antsoina hoe “Police judiciaire” ny polisy , zandary sy maro hafa avy amin’ny sampandraharaham-panjakana isan-tsokajiny.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici