- Publicité SW45 -
dimanche, avril 28, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Fokonolona an-jatony nitaky ny hamoahana ny namany nosamborin’ny polisy

Antsirabe : Fokonolona an-jatony nitaky ny hamoahana ny namany nosamborin’ny polisy

Nisehoana fikomiana indray, nanoloana ny biraon’ny polisy eto Antsirabe, omaly hariva. Fokonolona an-jatony avy amin’ny kaominina telo no nitaky ny hamoahana ny naman’izy ireo nosamborin’ny polisy, fa voatonona ho jiolahy.

Olona dimy hatreto no vosambotra tao amin’ny kaominina Mangarano, ny roa amin’izy ireo no fantatra fa tena jiolahy tokoa, fa ny telo hafa tondro molotra fotsiny ihany raha ny nambaran’ny solontenan’ny fokonolona taminay. Io vaovao io hatrany no nahalalana, fa filoham-pikambanana antsoina hoe “fandriam-pahalemana” ny iray amin’ireo telo nosamborina ireo. Nampitroatra ny fokonolona ny nisamborana io lehilahy io, niampy olona roa hafa satria, hatramin’ny nisian’ny fikambanana roa taona lasa izay, dia nilamindamin-dratsy ny kaominina hoy hatrany ireo fokonolona. Nanamafy ny fokolona, fa tsy jiolahy io rangahy io ary izany no nampiray hina ny vahoaka maro be nidodododo na dia nandeha an-tongotra kilaometatra maro aza, niray hina hitaky ny hamoahana ny namany ao amin’ny polisy.

Raha ny fanazavana, nitrangana fanafihana tao Befaritra, mbola tafiditra ao amin’ny kaominina Antsirabe tapa-bolana lasa izay. Mpiserasera tamin’ilay trano voatafika ihany anefa no nanao ny asa ratsy ka nandeha nifona teny amin’ny io trano io ny ramatoa iray vadin’ilay jiolahy ary nikasa hanao raharaham-pihavanana. Niantso polisy avy hatrany anefa ny voatafika ary nanoro ny misy azy mivady sy nilaza fa manana basy ireo olona ireo. Niroso tamin’ny fisamborana sy fisavana ny trano ny polisy ary nahatrarana basy tokoa niaraka tamina bala  tao amin’izy mivady, ny zoma lasa teo. Nitohy ny fanadihadiana ary nanonona anarana hafa ireo voasambotra ka nahavosaringotra olona dimy tao amin’ny kaominina Mangarano. Nanao ny fisamborana indray ny polisy, omaly Alahady maraina ka io nampirongoratra ny vahoaka io, satria namafisin’izy ireo fa olo-marina ireo nosamborina ireo. Nahatezitra ny olona koa ny nandrenesana, fa noraofina nandritra ny fisamborana io olona io ny “plaque solaire” sy “batterie”  tao an-tranony niampy clé-mbisikileta maromaro .

Nanomboka tamin’ny 3 ora sy sasany no tonga teo amin’ny biraon’ny polisy ny fokonolona. Taorian’ny fifampiresahana, dia navoaka ihany  izy dimy mirahalahy, omaly hariva tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici