- Publicité SW45 -
dimanche, novembre 3, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Foto-drafitrasa natsangana, nahazo ny faritry ny sekoly niteraka fifandirana

Antsirabe : Foto-drafitrasa natsangana, nahazo ny faritry ny sekoly niteraka fifandirana

Ho fanampiana ny mpiara-belona sy ireo sairana ara pivelomana mivelona amin’ny fanasana lamba dia nanangana toerana fanasan-damba  teo amin’ny faritra misy azy ny pasitora iray. Ao amin’ny fokontany Ivory, kaominina Antsirabe Ambonivohitra no misy ity fanasan-damba hatsangana ity. Somary nahazo ampahany kely tamin’ny faritry ny sekoly anefa ity foto-drafitrasa hatsangana ity ka niteraka fifandifirina teo amin’ny roa tonta.

 Ampolo taona maro no efa nonina teo amin’ny fokontany misy azy ity pasitora ity, fanaony no manao asa soa amin’ny toeram-piasany, sy ny  fileovana misy azy saingy tsy mbola nahavita na inona na inona ho an’ny manodidina teo amin’ny fonenany izy. “Nitaraina tamiko ireo mananon-tena mivelona amin’ny fanasan-damba” hoy pasitora ka izany no nanosika ahy hanampy azy ireo amin’ny fanorenena fanasan-damba. Eo amin’ny fotaka rahateo ireo vehivavy no manasa lamba satria lakan-drano fandehanan’ny rano maloto no misy ity toerana ity.

Nambaran’ny pasitora fa efa nanantona ambaratonga izy ireo vao nanangana ity foto-drafitra ity ary nahazo alalana tamin’ny fiadidina ny tanan’Antsirabe. Ekena hoy Pasitora fa nahazo ampahany kely amin’ny faritry ny sekoly ny fanasan-damba saingy tsy tokony hadino fa eo ambony tatatra no hanorenana azy io ary efa nivonona izy ireo hanamboatra ilay tatatara manamorina ny faritry ny sekoly hivoahan’ny rano.

Voalaza anefa fa tsy nahalala ny momban’io foto-drafitrasa io ny sekoly, gaga izy ireo nahita ny fanorenana tamin’ny faran’ny herinandro teo ka nisakana izany marindrano satria tanin’ny sekoly no hanorenana azy io. Saro piaro amin’ny fananany ny sekoly hoy ny tale ary tsy tokony hanganana fahatany toy izao izay te hanangana. Tsy anjaran’ny tale hoy izy ny hijery ny fanasoavana ny mpiary monin’Ivory fa miandraikitra ny sekoly ny asa’ny tale.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité Google Ads -
Suivez nous
387,795FansJ'aime
7,021SuiveursSuivre
1,030AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici