Manomboka mihamazava ankehitriny ny momba ilay raharaha fanolanana sy fandrobana ny tobin’ny masera tao Antsahatanteraka, tanàna iray ao Andranomanelatra. Raharaha niteraka resabe sy saika nanimba ny fifandraisana teo amin’ny firenena roa tonta, satria vehivavy efatra izay relijiozy no indray naolan’ny jiolahy. Omaly maraina dia nisy lehilahy iray voasambotra tao Antsirabe. Tsy afa-miala intsony izy, satria sarona niaraka taminy ny fakan-tsarin’ny iray tamin’ireo teratany Alemana izay voaolana, raha araka ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro ny filaminana. Mbola tsy nisy nofafaina ny sary tao anatin’io fitaovana io ary mbola nijanona tao avokoa arak’izany ny sarin’ireo vahiny niharan’ny habibiana. Loharanom-baovao teo anivon’ny pôlisy indray no nahafantarana omaly fa misy efatra no voasambotra tao anatin’ny roa andro ary ireo olona ireo no ahiana voalohany ho tompon’antoka tanteraka tamin’ny fandrobana sy ny fanolanana. Tany Ambano, kaominina ambanivohitra Antsirabe II, no nisamborana ny telo ambiny. Raha tsiahivina, ankoatra ny fanolanana dia mbola nalaina ihany koa ny vola mitentina 6.500 euros sy telo tapitrisa ariary ary ny fitaovana samihafa toy ny solosaina sy ny fakan-tsary. Nandeha haingana ny fanadihadiana, saingy tamin’ny voalohany dia niteraka fahasorenana ho an’ny olona izany. Toa nihazakazaka tamin’ny fisamborana fotsiny ihany mantsy mba hentina hanamarinana ny vokatry ny fanadihadiana ireo mpitandro ny filaminana. Nisy fotoana aza niteraka fitokonan’ny havan’ny olona; izay nosamborina ny raharaha. Voatery nohamafisina mihitsy tamin’io fotoana io ny fiambenana ny biraon’ny mpitandro ny filaminana noho ny hatezeran’ireo olona. Tamin’ity indray mitoraka ity, porofo lehibe mitohoka amin’ny tenda ny fahitàna ilay fakan-tsary izay an’ny iray tamin’ireo relijiozy alemana.
Bo Andrianary/D.R