Nitrangan’ny fanafihan-jiolahy mitam-pidiana ny Hotely iray goavana miorina ao amin’ny fokontany Tsarafirasina Antsirabe, akaikin’ny sekoly Asja. Jiolahy tsy latsaky ny folo lahy manao saron-tava sy mitondra basy no nanafika tao ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy lasa teo. Efa maty paika ny fanafihana raha ny angom-baovao teny an-toerana no resahina. Tokony ho tamin’ny 11 ora alina no tafiditra tao amin’ny faritry ny hotely ny jiolahy. Teo am-panaovana fisafoana ny manodidina ny tenako, hoy ny mpiambina iray, no nisy nibeda sy nanambana tamin’ny basy. Nofatorana ny tanany sy tongony ary nahohoka tamin’ny tany tsy navela hihetsika. Rehefa izany, niroso tamin’ny fisamborana ny mpiambina iray hafa indray ireo jiolahy. Tafaporitsaka tany ivelany ihany ity farany saingy efa nisy jiolahy hafa niandry ka noraisim-potsiny. Ilay ramatoa tompon’ny hotely no nanontanian’ireo jiolahy saingy tsy nahalala izay nisy azy ny mpiambina. Nampidirina tao amin’ny trano fiambenany izy roa lahy nifatotra ireo, nandrasana tamin’ny basy, raha ny filazany. Tsy mbola niditra ny hotely ireo olon-dratsy fa niandry ora roa taty aoriana, izany hoe tokony ho tamin’ny 2 ora maraina vao nitady hevitra hidirana tao anatin’ny hotely. Nisy fianakaviana 4 mianaka tao an-trano tamin’io, nisandoka ho mpiambina ireo jiolahy ary nilaza fa tonga mitady ny mpiandry ny hotely ny talen’ny fiambenana. Marihina fa orinasa mpiambina fanta-daza eto Antsiraebe no miantoka ny fiambenana ity hotely ity, ka fomban’io tale io no manao fisafoana ireo mpiasany. Tsy nahalala ireto fianakaviana ka namoha. Akory anefa ny hatairany fa jiolahy misaron-tava manambana basy no niandry tao am-baravarana. Rehefa tsy nahita ny tompon’ny hotely ireo jiolahy dia ny fahitalavitra iray sy ny findain’ny fianakaviana no noraofiny niaraka tamin’ny vola kely tao anaty « coffre ». Ankoatra izay dia nalain’ireo jiolahy ihany koa ny « boitier » misy ny « caméra de surveillance ». « Ny tena nahagaga ahy », hoy ny tompon’ny hotely raha tafaresaka tamin’ny mpanao gazety, «dia ny nakan’ireo jiolahy ny fanalahidin’ny trano misy ny entana lafo rehetra. Tsy nandroba anefa izy ireo raha ny entana nalainy no resahana fa ilay tompon’ny hotely mihitsy no nokarohan’izy ireo fatratra. Tombanako ho famonoana ahy no tanjon’ireo jiolahy », hoy ny tompon’ny hotely tsy nanonona anarana, « na hikasa haka ahy an-keriny ». Marihina fa narian’ireo jiolahy tsy lavitra ny hotely ilay fahitalavitra nalainy. Tonga teny an-toerana ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana. Efa misy ny olona ahiahiana fa andrasana kosa ny valin’ny fanadihadiana.
Andry N.