- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe II : Jiolahy telo matin’ny fitsaram-bahoaka, roa hafa hafa voasambotry ny zandary

Antsirabe II : Jiolahy telo matin’ny fitsaram-bahoaka, roa hafa hafa voasambotry ny zandary

Maimbo rà tanteraka ny fokonolona ao amin’ny kaominin’Ambohitsimanova, distrikan’Antsirabe II, ary tsy mitsitsy raha vao mahazo olon-dratsy. Ny faran’ny herinandro lasa teo, jiolahy telo, izay fantatra fa isan’ireo nanafika tokantrano iray tao Mahatsinjo, no voasambotry ny fokonolona. Maty, niharan’ny fitsaram-bahoaka.

Ny zava-nitranga. Ny alin’ny zoma hifoha sabotsy lasa teo dia nitrangan’ny fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantrano iray tao Mahatsinjo, kaominina Ambohitsimanova, distrikan’Antsirabe II. Lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina telo hetsy ariary, niaraka tamin’ireo entana rehetra tao an-trano. Tsy vitan’izay anefa fa mbola noratrain’ireto olon-dratsy ny vehivavy iray tompon-trano. Naratra mafy teo amin’ny lohany ity farany, araka ny vaovao azo. Valo lahy ireo olon-dratsy no niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano ity, izay samy nitondra fitaovam-piadiana avokoa. Nitsoaka rehefa avy nahavita ny asa ratsiny.

Tamin’io fotoana io ihany dia raikitra ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona. Nampandrenesina ihany koa ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Antsirabe, izay nanao fisafoana tsy lavitra io toerana io. Efa nisy avy hatrany ny fanakanana ireo lalana rehetra mety hitsoahan’ireo olon-dratsy. Vokany : nisy iray tamin’ireto jiolahy, niaraka tamin’ny vehivavy iray mpiray tsikombakomba taminy no voasambotra tao amin’ny fokontany Antsahateloloha.

Tetsy andanin’izay ihany koa anefa, taorian’ny fanarahan-dia nataon’ireo fokonolona sy ny ekipan’ny zandary hafa dia nahatratra ny roa tamin’ireto mpanafika ireto izy ireo. Noho ny hatezeran’ireo fokonolona dia tsy tana intsony izy ireo fa avy hatrany dia namono. Voatoraky ny famaky ireto farany, hoy ny vaovao, ary naratra mafy. Tsy tana intsony ny ain’ireo olon-dratsy ireto, tamin’ny fitondrana azy ireo tany amin’ny hôpitaly.

Fa ankoatra azy roa lahy ireto, dia nisy olon-dratsy iray hafa ihany koa voasambotry ny andiam-pokonolona hafa mpanara-dia tsy lavitra teo. Niharan’ny hatezeram-bahoaka ihany koa ity farany ary namoy ny ainy tao anatin’izany, araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Marihina fa samy mponina ao Ambohitsimanova avokoa na ireo voasambotra na ireo olona namoy ny ainy. Ny entana nangalarin’izy ireo kosa dia efa tafaverina any amin’ny tompony.

Efa eny am-pelatanan’ny zandary moa ny raharaha amin’izao ary mbola mitohy ny fikaroham-baovao sy ny hazalambo atao tamin’ireo naman’ireto farany, tafatsoaka.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici