Vola mitentina 20 tapitrisa ariary sy finday roa no lasan’ireo jiolahy nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika nanafika tokantrano iray tao Soamiakatra, kaominina ambanivohitra Antanambao, distrikan’Antsirabe II, ny alin’ny alatsinainy teo. Olona enina farafahakeliny no niditra an-keriny tao an-trano, nitondra basy Kalachnikov iray, lefona ary antsy. Araka ny tatitra avy amin’ny Zandarimariam-pirenena, tokony ho tamin’ny 11 ora alina no nitrangan’ny fanafihana. Vao avy niasa tamin’ny fitrandrahana volamena tany Tsaratanana ilay raim-pianakaviana sy ny zanany lahy, ka nahazo vola an-tapitrisany maro. Niditra an-keriny tao an-trano ny enina tamin’izy ireo, raha mbola nisy namany niandry teny ivelany. Nanapoaka basy sy nandrahona ireo olona tao an-trano izy ireo, ka tsy sahy nivoaka namonjy ireo niharam-boina ny manodidina. Niezaka nitsoaka tamin’ny varavarankely kely kosa ireo tompon-trano, saingy naratra nandritra izany. Tafiditra tao amin’ny efitrano fatoriana ireo jiolahy ary noraofiny ny vola sy ireo entana sarobidy hitany. Tombanana ho 20 tapitrisa ariary ny vola voaroba. Natokana hividianana omby sy tôles hanaovana tafo izany, araka ny fanazavana voaray. Ankoatra izay, lasan’ireo jiolahy ny finday roa, kara-panondro telo, taratasin’ny moto ary lakilen’ny moto iray. Olona roa no naratra nandritra ny fiezahana nitsoaka. Nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly ao Soamiakatra izy ireo, ary efa tsy misy atahorana ny ain’izy ireo. Taorian’ny fanafihana dia nitsoaka niantsinanana avaratra, nizotra tany amin’ny faritra Andranofito, ireo olon-dratsy. Nahitana taim-bala roa mirefy 7,62 mm sy taim-bala iray mirefy 9 mm teny amin’ny manodidina ny toerana nitrangan’ny fanafihana, araka ny tatitra. Vantany vao nahazo ny antso avy amin’ny Andrimasim-pokonolona tao Soamiakatra ny Zandary ao amin’ny « poste fixe » Antanambao, dia nidina teny an-toerana ary namonjy ireo niharam-boina aloha. Nanomboka ny fanarahan-dia ireo olon-dratsy ny mpitandro filaminana sy ny fokonolona. Nampandrenesina ihany koa ireo tobin’ny Zandarimaria manodidina mba hametraka sakana amin’ireo lalana mety handosiran’ireo jiolahy. Nentanina ny mponina mba hanamafy ny fiambenana sy ny fiaraha-miasa amin’ny mpitandro filaminana. Fanontaniana tokana : avy aiza ny kalachnikov?
D.R




