Amin’ny ankapobeny dia nizotra araka ny tokony ho izy ny andro voaloahany tamin’ny fananadinana bakalorea tao amin’ny foibem-panadidina Marojery LARA Antsirabe. Miisa 1743 ireo voasoratra anaty lisitra ho an’ireo manala baka ankapobeny ka 54 no tsy tonga tamin’izy ireo,1689 kosa no tonga. Ho an’ny baka teknika, 441 no isan’ireo mpiadina ka 4 no tsy tonga niatrika ny fanadidina, 407 kosa no tonga niatrika ny taranja voalohany. Mpiadina roa no voalaza tsy nahazo nanatrika ny fanadianana an-tsoratra satria tsy tonga tamin’ny adina fanatanjahan-tena sady tsy nisy fanazavana mialoha. Fa jamba miisa efatra no nanala baka tamin’ity taona ity teto Antsirabe. Raha ny fanazavana avy tamin’ny tompon’andraikitra iray ao amin’ny FOFAJA, na Foibe Fanabeazana ny Jamba, dia miisa 10 ireo jamba manala baka eto Madagasika, fa ny efatra no eto Antsirabe. Iraisana amin’ny rehetra ihany ny laza adina fa avadika ho soratry ny jamba, na “Braille”, izany rehefa voasokatra anaty valopy, izany hoe somary mihemotra amin’ny rehetra ny ora hanombohana. Sokajy A avokoa no misy azy efatra mianadahy ka ny roa no nisafidy ny A2. Manodidina ny 20 sy 24 ny salantaona’izy ireo. Isan-taona dia misy hatrany ireo olona manana fahasembanana ara-pahitana ireo no maka bakalorea ary saika 100% hatrany ny vokatra. Marihina fa hatramin’ny kilasy faha-9 ihany no beazina sy mianatra ao amin’ny FOFAJA ireo jamba ireo fa aorian’izay kosa dia miara-mianatra amin’ny mahiratra, araka ilay antsoina hoe “inclusion”, na fampiatiana, ireo mpianatra jamba ireo. Fantatra moa fa efa misokatra koa ankehitriny ny ivon-toerana fampiofanana informatika ny jamba eto Antsirabe ka inoana fa ho maro ireo hanohy izany aorian’ny fahazoana ny diplaoma bakalorea.
Andry N.