- Publicité SW45 -
dimanche, mai 26, 2024
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy mamo navadidy ny cyclo posy, torana tsy nahatsiaro...

Antsirabe : Lehilahy mamo navadidy ny cyclo posy, torana tsy nahatsiaro tena

Nitondra ny ralahanay hody ity mpitondra cyclo posy iray ny harivan’ny Talata teo, samy efa nisotrosotro izy roa lahy fa ilay noentina no tena mamo be, ilay mpitondra kosa mamomamo raha ny fahitana azy. Vokatry ny fandehanana mafy , nifanena tamin’ny môtô iray teo ampovoan-dalana eo akaikin’ny « serrure » Tomboarivo izy roa lahy, ny andro rahateo efa somary maizina, tsy tana ny familiana ka nivadika ambony ambany ny cyclo posy. Torana tsy nahatsiaro tena ilay nentina, ny mpamily kosa naratra ny lohany havia. Nobataina hiala tao anaty cyclo posy ranamana, fiara iray tsy mataho-dalana sendra nandalo ka nitondra azy namonjy hôpitaly. Nitangorona ny olona nijery ny zava-misy, ny nahavariana dia ramatoa iray manao akanjo mpitandro filaminana ambony ambany, kevokevoka aoka izany no niditra an-tsehatra nibaiko sy nanome tsiny ilay mpitondra môtô. Ny fahitana ny zava-nitranga anefa dia tsy nisy hidiran’ilay mpitondra môtô ny loza nitranga, ary misy vavolombelona tamin’izany. Nanaraka ilay fiara tsy fidiny nitondra ilay marary tany amin’ny hôpitaly ilay mpitondra môtô. Fantatra anefa fa tsy tonga tany amin’ny hopitaly ity farany. Ilay naratra kosa nambaran’ny tao amin’ny Hopitaly fa tena mamo tokoa ka nalefa nody rehefa nahazo fitsaboana sahaza azy. Tsy hita kosa ny nanjavonan’ ilay mpitondra cyclo posy milaza ho rahalahiny. Tonga teny an-toerana ny polisy nanao ny fizahana sy ny fanadihadiana.

Andry N.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici