- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy maty nihantona tao an-tsenany

Antsirabe : Lehilahy maty nihantona tao an-tsenany

Ny alakamisy teo tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany hariva no nahitana lehilahy iray maty nihantona tamin’ny tady tao amin’ny toeram-pivarotany eny Mahazoarivo Antsirabe. Io andro io dia nisokatra ny tsena ny maraina. Tamin’ny tolakandro kosa anefa, nahamarika ny mpiara-monina fa nidihy ilay fivarotana. Teo dia efa samy gaga ny rehetra, satria tsy dia fanaon’ilay lehilahy izany. Fivarotana ihany anefa ilay toerana nahitana ny razana fa tsy ao ity olona ity sy ny fiankaviany no mipetraka. Tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, tonga hanatitra sakafo ho azy ny zanany. Nidihy be ilay trano ka tsy afaka niditra izy. Niverina niantso ny reniny ilay ankizy. Rehefa tonga teo izy mianaka dia nisy hirika kely azo nitsikolovana ny tao anaty tsena. Tamin’izany, hoy ny vaovao, no nahitan’ilay ramatoa ny vadiny nihantona tamin’ny tady. Lasa haingana izy nampilaza ny zandary. Rehefa tonga teo ireo mpitandro filaminana dia novahana ny varavarana ka io ilay mpivarotra efa maty tsy misy aina intsony. Teo amban’ny tongony, nisy ireny bidon plastique ireny efa nikodia.

50 taona eo ity lehilahy hita faty ity ary manan-janaka telo izy sy ny vadiny. Efa misokatra ny fanadihadiana amin’izoa fotoana izoa.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici