- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy maty teo amoron-dàlana

Antsirabe : Lehilahy maty teo amoron-dàlana

Lehilahy lehibe manodidina ny 40 taona no hita faty tao Antsenakely nivalapatra teo amoron-dalana. Tokony ho dimy andro teo no efa nihaodihaody tao Antsenakely ity rangahy ity raha ny nambaran’ny lehiben’ny fokontany. Tsy manankialofana izy ary tsy misy mahalala azy ihany koa ny mponina teny amin’ny manodidina, tsy manana kara-panodro ihany koa. Tsikaritry ny kartié mobila  nanao fisafoana amin’ny alina fa matory antsena izy  ary nisy sparadrap ny tanany. Noeverina noho izany fa mety efa nisy aretina nahazo ity rangahy ity ka nitarika azy tamin’ny fahafatesany izao, ankoatra izay ny hanoanana sy ny hatsiaka . Nanomboka ny zoma faran’ny heriandro  teo izy no tsikaritry ny manodidina fa nangataka hatramin’ny nahatongavany teo Antenakely. Ny Sabotsy maraina enefa izy nindaosin’ny fahafatesana. Mponina teny antoerana ihany no nahatsikaritra fa tsy nifoha intsony ity rangahy ity , nifono tao anaty korofoka sy lamba firakotra nanolona ny pavillon iray tao Antsenakely. Ny mponina teny an-toerana sy ny mpadalo  no nandrotsaka rakitra hikarakarna ny razana, nisy ny nanome lamba ary halevina eny ampasam-bahiny ny razana aorian’ny fizahana hataon’ny tompon’andraikitra.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici