- Publicité -
lundi, mai 19, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Lehilahy nanolana adala, maty tapa-tenda

Antsirabe : Lehilahy nanolana adala, maty tapa-tenda

Maty teo no ho eo ilay lehilahy lehibe tokony ho 56 taona voalaza fa nanolana vehivavy tsy salama saina tokony ho 40 taona. Ny loharanom-boavao no nahafantarana fa ny faha-11 septambra lasa teo, teny amin’ny tanana antsoina hoe Ambondrona kaominina Antanambao any Antsirabe, tamin’ny 8 ora alina, niharan’ny fanolanana ity vehivavy voalaza etsy ambony ity. Raha ny vavovao hatrany, toa tsy nanaiky izany ilay ramatoa ka nandritra ny fanolanana, notsatohany zava-maranitra sy nodidiany ny tendan’ilay nanao herisetra taminy. Tsy fantatra aloha hoe taiza no nahitana ilay zavatra namonoany ilay lehilahy. Maty teo no ho eo mantsy ity nahavanona ny herisetra. Nisy nahita izany zavatra rehetra izany ka tsy niandry ela ny fokonolona teny an-toerana nisambotra ilay vehivavy. Tonga dia naterina tany amin’ny biraon’ny zandary eny Sahanivotry izy. Rehefa izany dia nalefa any amin’ny ambaratonga rehetra isan-tsokajiny ny tatira mikasika izao raharaha izao. Misokatra araka izany ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici