Ankoatry ny maha lalao ara-panatanjahantena ny BIM na « Basket Inter Milieu Scolaire » azy dia misy koa ny fifaninanana isan-karazany toy ny fandihizana ataon’andiana ankizy maromaro sy filatrona amin’ny alalan’ny fifaninanana izay tsara tarehy amam-bika « Miss et Mister » , fifaninanana iraisan-tsekoly anjara izy ity.
Ny datin’ny alahady 17 May 2026 lasa teo no natomboka ny fifanintsanana, na ho an’ny lahy izany na ho an’ny vavy. Afa-po ny mpikarakara azy ity satria tao anatin’ny fotoana fohy no nikarakaraka sy nanofanana ireo ankizy nefa dia hita taratra tamin’ny filatroana fa tafovoakan’ireo mpifaninana ny seho voalohany.
Tsy voatery fifaninanana izay tsara bika sy tarehy ihany ny fifaninanana hoy Erica Rakotonoely fantatra amin’ny anarana Erica du Rock, isan’ireo mpikarakara sy mpitsara ny BIM 2026 fa fampiofanana ireo tanora hahay hiseho sy hiteny imasom-bahoaka, ary indrindra mba hananan’izy ireo fahatokisan-tena eo amin’ny fiainana iray manontolo. Miisa 17 ny vehivavy raha toa ka 7 kosa ny lehilahy avy amin’ny sekoly lisea sy oniversite eto Antsirabe.
Hiditra amin’ny lalao manasa dalana ny fifaninanana « miss et mister Bim 2026 » amin’ny faran’ny herinandro izao, misy ny fifidianana izay handraisan’ny mpijery anjara fa tsy ny mpitsara fotsiny ihany amin’ny alalan’ny ticket izay ferana ho 20% amin’ny fitsarana amin’ny ankapobeny raha toa 80% ny an’ny mpitsara.
Reny mpiahy na « marraine » ireo mpifaninana Rtoa Nadiah avy amin’ny Afro manja eto Antsirabe, fantatra eo amin’ny lafiny fikirakirana ny taovolo, endrika amam-bika ity farany, izy no mampiofana ireo mpifaninana sy manome toromarika toy ny hoe, tahaka ny ahoana ny taovolo mendrika amin’ny endriky ny tavan’olona iray. Ankaotra izay ny fomba fitafy mampivoaka ny bika.
Marihina fa ny « Afro Manja » no mandray an-tanana ny fikarakaraka ny endrika amam-bikan’ireo tafita amin’ny lalao famaranana. Eto Antsirabe no misy ny foiben’ny « Afro manja », fikarakarana ny taovolo natoraly no hamantarana azy, izany hoe taovolo tsy mampiasa ireny teknolojia vaovao ireny fa akora natoraly no ampiasana.
Mahasarika tanora maro ny BIM, saika hipoka foana ny toeram-pilalaovana, izany no tanjona hoy Andry Rotika isan’ireo angady nanana sy vy nahitana ny BIM.
Andry N.




