- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe Mahazoarivo : Misy andian’olona manao sinto-mahery

Antsirabe Mahazoarivo : Misy andian’olona manao sinto-mahery

Raha mbola tsy fahita na faheno loatra teto Antsirabe izany sinto-mehery izany, dia manomboka misy izany ankehitriny ao amin’ny fokontany Mahazoarivo ao. Tao anatin’ny herinandro izao, dia tsy latsaky ny olona dimy no efa niharan’ny sinto-mehery tao amin’ny fokontany Mahazoarivo sy ny manodidina. Ny finday sy ny vola hatreto no fantatra fa tena rombahin’ireo tontakely. Ny tena mahagaga hoy ny nijoro ho vavolombelona nahita ny ataon’ireo jiolahy, dia toa voan’ny fandraikiraikena izany ireo olona voaroba. Somary domin’ireo mpanao sinto- mahery ny olona iray izay hoendahany, ao anatin’ny segondra vitsy monja no angalany ny finday na vola na paoketra eny an-tananao. Tsy tonga saina kosa ny voaendaka  raha tsy efa dify lavitra ireo mpanendaka, izay vao taitra ary miteny irery mihitsy fa lasan’ olona ny fananany. Tsy misy azo atao anefa,  satria efa dila ary mitsoaka mamonjy elakelan-trano ireo mpanao sinto-mehery. Raha ny fanamarihan’ny mponina eny amin’ny manodidina aloha, dia tsy mponina  eny Mahazoarivo izy ireo,fa  olona hafa mihitsy, mahafantatra ny elakelan-katrano anefa , ary mahita ny lalan-kely hivoahana any amin’ny toerana hafa mihitsy ry zalahy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici