- Publicité -
lundi, juin 16, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Matin’ny lozam-piarakodia i Om-Gui ao amin’ny tarika « Ny Ainga...

Antsirabe : Matin’ny lozam-piarakodia i Om-Gui ao amin’ny tarika « Ny Ainga »

Nindaosin’ny fahafatesana noho ny lozam-pifamoivoizana nihatra taminy, omaly atoandro tokony ho taminy 12 ora sy sasany, ny filoha mpitariky ny Tarika Ny Ainga fantatra amin’ny anarana hoe Om-Gui. Tao Tsaravavaka, lalam-pirenena fahafito, manakaiky ny ASJA na ny sekoly «  Tombotsoa », làlana folo minitra tsy hiditra an’Antsirabe no nitrangan’izany. Raha ny fitantaran’ireo nanatri-maso ny loza dia nandeha mafy tokoa ny fiara 4×4 nitondra ny tarika satria maika hamonjy ny fampisehoana nosoniaviny tany Manandona Antsirabe II, ka izay no tena nitarika ho amin’ny loza. Potika tanteraka ny lohan’ny fiara. Dimy izy ireo no nandeha tao anatin’ity fiara ity saingy ny saofera sy i Om-Gui izay nipetraka teo aloha no tena voa mafy sy naratra tamin’izany. Ity farany dia tsy nahatsiaro tena tanteraka. Niezaka ihany ny manodidina nanainga azy ka nitondra azy tany amin’ny hopitalin’Andranomadio saingy fotoana vitsy taorian’izay dia tsy tàna intsony ny ainy. Ny hatony sy ny handriny ary ny tratrany no tena voa mafy ka nitarika ho amin’izao fahafatesany izao. Ankoatra ny maha mpanakanto sy filohan’ny tarika Ny Ainga ny tenany, dia talen’ny kabinetra ny Ministeran’ny Fampianarana Ambony , filoha lefitry ny CNTEMAD ary efa Solombavambahoakan’Ambohimahasoa teo aloha i Om-Gui.

Niony H.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici