Ny mpiasa namonjy birao vao maraina no nahatsikaritra ity zava-doza. Nihohoka tamin’ny tany ny mpiambina ilay toerana ary mifatotra tongotra aman-tànana. Tsy vitan’izay fa mbola nohodidinina « scotch » koa ny vavany. Efa tsy nihetsika intsony izy ary rehefa navadika ny vatany satria nihohoka tamin’ny tany dia tsikaritra fa efa feno rà be. Izany hoe sady nofatorana no nodarohina. Omaly maraina no nahitàna ny razana ary mazava hoazy fa ny alin’ny talata hifoha alarobina no notontosaina ilay heloka bevava. Nanjavona tao amin’ny fitoeram-bola an’ny sampana fandoavan-ketra (centre fiscal B) ny vola mitentina valo tapitrisa ariary. Izany hoe fandrobàna no nitranga ary nialohavan’ny vonoan’olona izany. Manintona ny olon-dratsy itony biraom-panjakana mikirakira vola itony. Tamin’ny taon-dasa ohatra dia nisy namaky indroa miantoana ny sampana mitovy saingy amin’ny toeran-kafa tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra hatrany. Azo heverina fa isan’ny manamora ny fanafihan’ireo olon-dratsy ny maha-tanampolo ny mpiambina. Sivily no miandraikitra an’izany ary olona iray monja hany ka sahin’ny mpanafika. Ankoatr’izay dia mba tokony hampiasaina amin’ny toerana toa itony amin’izay ny teknolojia manampy amin’ny fiambenana, toa ny « alarme » sy ny « caméra de surveillance ». Tsy noeritreretin’ny maro hisy mihitsy ny heloka bevava toa izao satria ampovoan-tanàna be ilay birao ary tsy mifanalavitra ny birao foiben’ny polisy ao an-toerana. Izany hoe efa tena nokajian’ireo olon-dratsy tanteraka ny fotoana mangina sy tsy hisian’ny olona mivezivezy…
D.R