- Publicité -
vendredi, juin 13, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mirongatra ny vaky "bar" sy fivarotana

Antsirabe : Mirongatra ny vaky « bar » sy fivarotana

Mirongatra izay tsy izy indray ny vaky trano eto Antsirabe sy ny manodidiana ka ireo toeram-pivarotana sy bar no tena lasibatra amin’izany.

Rehefa akaiky fety toy izao dia mirongatra foana ny vaky trano sy ny hala-botry ary ny fisoko, matetika dia ireo any ambanivohitra na ireo mpiompy no tena voa mafy hatrany fa ajifan’ireo olon-dratsy ny biby fiompy rehetra. Raha ny eto Antsirabe renivohitra no resahina dia ny vaky fivarotana no tena nanjaka tato ho ato izay. Saika ho isan-kalina dia handrenesana “bar” na fivarotana enta-majinika hatrany amin’ireo fokontany sasantsany, isan’izany ny ao amin’ny fokontany Ambohimiandrisoa,  toeram-pivarotana zava-pisotro no nisy namaky tamin’ny herinandro lasa teo. Novakian’ireo jiolahy ny rindrina ary teo ry zalahy no namoaka ny entana rehetra toy ny zava-pisotro samihafa,ampli  baffle iray niampy ny kojakojam-pivarotana rehetra. Tsy nisy nahatsikaritra ny tompo-trano raha tsy efa hamoha ny fivarotana maraina  vao gaga.  Fa ankoatra izay dia fivarotana firavaka vao nisokatra koa no nisy nikasa hamaky tamin’ny herinandro lasa teo ihany, tsy dia mifanalavitra amin’ilay “bar” vaky izy ity. Soa fa taitra ny tompon-trano raha vao naheno ireo jiolahy nisikosikotra ny varavarana, ka nitsoaka nandositra avy hatrany ireo olon-dratsy. Heverin’ireo mponina  manodidina fa olona eo amin’ny  tanana, mahafantatra tsara ny  zava misy sy ny manodidina azy ireo mpamaky trano ireo. Marihina anefa fa dia toerana maresaka hatrany iny amin’ny faritra Ambohimiandrisoa iny mandra-paharainan’ny andro.  Fa ankaotra izay fivarotana “bar” iray hafa koa no nisy namaky teny Ambalavato , tamin’ny herinandro teo iny ihany no nisehoan’izany.  Mitovy hatrany ny paikadin’ireo jiolahy, mamaky rindrina mihitsy ry zalahy, eo no avoakany ny entana ary dia maraina hatrany vao misy mahatsikaritra ny zava mitranga.

Metetika tokoa rehefa antomotra toy izao ny fety dia maro ireo mpangalatra no mananaraotra, ao mihitsy aza ireo miandry ny fandehan’ny tompon-trano mivoaka ka vao tazany tsy misy olona ny tanana dia iny ry zalahy no miditra manara-po, ka ilaina fitandremana amin’ny tsirairay  izany  fa tsy ho arak’ireo mpitandro filaminana daholo ny tranga misy, tsy kely lalana rahateo ny jiolahy.

Andry N.

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici