Tsy vao sambany akory no nandrenesana ity resaka fisandohana andraikitra ity teto Vakinankaratra fa tranga efa mpiseho matetika ary tsy eo anivon’ny mpitandro filaminana irery no ahitana azy, fa any amin’ny sampan-draharaha hafa koa, indrindra fa ny any ambanivohitra. Tamin’ity tranga iray kosa dia ny mpitandro filaminana mihitsy no misy misandoka ary akany vola be izay tratrany. Toy ity nitranga teto Antsirabe ity vao tsy ela akory izay. Mpandraharaha iray avy eny amin’ny kaominina Ambano no voasolokin’ireo mpisandoka ka nahazoany vola 20 tapitrisa. Manao fanamiana mitovy amin’ny mpitandro filaminana ireo mpisandoka ary milaza amin’ireo olona fantany, fa misy raharaha ilain’ny mpitandro filamanana azy eny amin’ny polisy, raha fanamiana polisy no anaovany, ary zandary raha to aka fanamiana zandary no entiny. Ambarany anefa fa, azo amboarina ny raharahara raha mifanaraka tsara aminy ka eo ihany dia vita ny resaka fa tsy mila miakatra eny amin’ny biraon’ny polisy na zandary akory. Vola no takian’ireo mpisandoka ary mahavita mitety kaominina mihitsy ry zalahy manao ny asa ratsiny. Manao antso noho izany ny Kaomisera divizionera Talily Damy ho an’ny vahoakan’i Vakinankaratra ny amin’ny fisian’ireo mpisandoka ho mpitandro filaminana ireo. Nambarany fa tsy maintsy mandalo kaominina na fokontany ny mpitandro filaminana rehefa hamita iraka toy ireny ary miaraka amin’ny karatra maha mpitandro filaminana azy. Tokony ho mailo ny rehetra hoy izy, fa tsy kely làlana ny ratsy, ary raha toa ka misy ny ahiahy na tranga hafahafa dia tokony hiantso ny tomponandraikitra akaiky na ny mpitandro filaminana.
Andry N.