Tsy vao sambany no nahenoana fifanolanana teo amin’ny kaominina sy rangahy iray malaza amin’ny fibodoana tanin’olona eto Antsirabe. Efa matetika miditra am-ponja ity farany, saingy rehefa mivoaka izy dia manao ny ataony indray. Mpiasan’ny kaominina iray, mpiambina ny pepinère Andranomafana no lasibatra. Voairaka nanadio ny faritra teny amin’ny pepinère ity farany, nihoatra taty amin’ny lalany ny zava maniry teo amin’ny tanin’ilay rangahy ka voatery nokapaina. Io no nametrahany fitoriana ka nahazoany onitra 3 hetsy ariary, araka ny didy navoakan’ny fitsarana. Tsy voaloa ara-potoana anefa izany ka nakany vadin-tany ary nogiazana sy saika natao lavanty ny fananan’ity mpiambina ity omaly, saingy tsy nipoitra ireo mpitory sy ny vadin-tany tamin’ny ora farany nahatongavan’ny mpanao gazety teny an-toerana . Araka ny fanazavana’ny ben’ny tanana, efa tamin’ny taona 1993 io rangahy io no nahazo lalana na « servitude de passage” teo amin’ny taniny. Mahagaga anefa fa dia 20 metatra be izao io “servitude de passage io ary efa nofefeny. Amin’izao fotoana, mangataka “servitude de passage” hafa indray izy. Araka ny fantatra aza moa dia ambaran’ity rangahy ity fa azy ny farihin’Andranomafana ary efa nametrahany baorina mihitsy izany. Andrasana noho izany ny tohin’ny raharaha. Nanamafy ny ben’ny tanàna Dr Honoré Rasamimanan fa hiaro ny fananan’ny kaominina izy, satria andraikiny izany. Nohamafisiny ihany koa fa isaky ny misy ny fiovan’ny mpitantana ny tanàna dia manararaotra io rangahy io. Efa am-polony maro ny fitoriana nataony tamin’ny kaominina ankoatra ny fitoriana ny mpiasa. Maro koa ireo fokonolona no nijoro vavolombelona fa tsy hay iaraha-monina io rangahy io, ary milaza ho mahitahita any amin’ny fananan-tany sy ny fitsarana.
Andry N.