An-jatony no very asa tao amin’ny Orinasa Tiko teto Antsirabe, nandritra ny toe-draharaha nisy teto amin’ny firenena tamin’ny taona 2009. Folo taona aty aoriana nanomboka nivondrona ireo mpiasa very asa mitaky ny zony sy ny tombontsoa tokony horaisin’izy ireo. Nambaran’ny solontenan’ireo mpiasa, fa efa nisy ny dingana natao tamin’ny taona lasa, dia ny fifanatonana sy fifampiresahana tamin’ny tomponandraikitra, saingy fampiandrasana lavareny no nasetriny tamin’izany. Ela niandrasana izahay hoy hatrany ny mpitondra tenin’ny mpiasa ka manaitra ny sain’ny mpitantana ny orinasa mba hijery azy ireo. Araka ny torohevitra nomen’ny teo anivon’ny minisiteran’ny asa sy ny asa sosialy ; izay natonin’ireo mpiasa, dia voalaza fa zon’ireo mpiasa ny mitaky ny tombontsoa tokony horaisin’izy ireo. Fantatra, fa eo am-pelatanan’ny fitsarana arak’asa ny fangatahana amin’izao ary miandry izay ho vokany ny mpiasa. Misy ireto farany no efa handray ny fisoatron-dronono no nijanona tampoka tamin’ny asany ary efa maro aza no fantatra fa nodimandry tsy nisitraka izany tombontsoany sy zo tokony ho raisiny izany akory. Nanambara ny alahelony koa ireo mpiasa sasantsasany, satria raha nisokatra ny orinasa taty aoriana ka nitondra ny anarana AAA dia mpiasa vaovao no noraisina hoy izy ireo, fa tsy ireo mpiasa tranainy niandry ny fisokafan’ny orinasa. Andranasana noho izany izay mety ho tohin’ny raharaha.
Andry N.