- Publicité SW45 -
vendredi, mars 29, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpanendaka roa lahy, maty voatifitry ny polisy

Antsirabe : Mpanendaka roa lahy, maty voatifitry ny polisy

Jiolahy malaza ratsy tamin’ny fanendahana sy vaky trano miharo fampihorohoroana ny mponina tao amin’ny fokontany Antanambao sy manodidina ny plaque Academia mihazo an’Ampihaviana iny no maty voatifitry ny polisy omaly tokony ho tamin’ny 8 ora maraina. Vaovao avy amin’olona tsara sitra-po no nahafantaran’ny mpitandro filaminana ny fanaon’izy roa lahy ireto ary efa nisy raha teo ny fitarainana voaray tamin’izany. Omaly maraina io ihany no nisy nahatsikaritra fa mifoka rongony tao amin’ny piste izy roa lahy. Nidina teny ifotony ny polisy avy ao amin’ny UIR nanao ny fisamborana ary mbola tratra teo am-pifohana rongony izy roa lahy. Ny fifohana rongony dia efa ampy hanenjahana azy araky ny lalàna saingy efa jiolahy raindahiny izy ireo araky ny vaovao voaray. Voalaza fa tsy nanaiky ny fisamborana azy ry zalahy fa nanohitra ny polisy ary namoaka antsy lava sy sabatra lava lela iray. Niezaka nampitandrina ny mpitandro filaminana saingy vonona izy roa lahy ny hanohitra ka voatery nitifitra ny polisy, maty tsy tra drano izy roa lahy. Noentina teny amin’ny kaomisaria ny razana nanavoan’ny BMH fizahana. Fantatra fa olona efa nisazy izy roa lahy maty ireto, hamantaran’ny maro azy eny amin’ny manodidina ny hoe le Tojo kely sy Paoly. Telo volana laza izay no fantatra fa nanendaka mpivarotra koba teo amin’ny plaque Akademia izy roa lahy, nalainy tamin’izany ny vola matin’ity mpivarora koba ity nandritra ny iray andro. Ankoatra izay, vao tsy ela akory izay no nanendaka tovolahy iray teo amin’ny Akademia ihany izy roa lahy ka , darohany izay tratrany ary rehefa malemy vao robainy ny finday sy vola sy izay rehetra azo endahina. Tsy vitan’izany fa mbola manao vava sy fampitahorana ny mponina ry zalahy ireto fa izay sahy mitoroka azy amin’ny polisy dia ho vonoiny ho faty.

Andry N.

- Publicité Google Ads -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici