Ravim-bola roa alina Ariary miisa 20 isa, mitentina teo amin’ny efatra hetsy Ariary teo ho eo no hita tamin’ireto ankizy mpianatra vao kilasy fahenina ireto tao amin’ny sekoly iray tao Antanamanjaka Antsirabe. Ny loza, ankoatry ny hoe mpianatra mitondra volabe any am-pianarana dia mbola vola sandoka avokoa izy ireo … Ny valo amin’ireto ravim-bola ireto dia mitovy laharana hoy ny zandary, torak’izay ihany koa ny enina miisa roa ambiny. Tsy sarom-patarina ny maha vola sandoka azy ireo, ka io niantsoan’ny tomponandraikitry ny sekoly an’ireo zandary ireo, ny andron’ny talata lasa teo. Araka ny fantatra dia tany amin’ny ankizy iray tao amin’io kilasy fahenina io no nahitana ireo vola ireto. Rehefa nanontanian’ny zandry ity farany dia nilaza ihany koa fa tsy azy izy ireo fa tany amina ankizy mpianatra hafa, izay kilasy fahenina ihany. Nohadihadiana ity farany ary nilaza fa an’ny zokiny. Ity farany indray avy eo no niteny fa an’ny Nenitoany izany volaza sandoka izany satria hitany natao tsara hafina tao anaty poketra feno lamba izany valonam-bola sandoka izany. Ny ankizy amin’ny maha-ankizy azy dia nalainy ireo vola ireo ary nomeny ilay zandriny, ary nomen’ilay zandriny an’ireo mpiara-mianatra azy. Nitohy hatrany moa ny famotoran’ny zandary satria tsy ho ireo zaza mihitsy no hanantsaina hanao sy hanaparitaka vola sandoka. Niantefa avy hatrany tany amin’ireo olon-dehibe tompon-trano ny ahiahy rehetra. Nosamborin’ny zandary avy hatrany i nenitoa sy ny vadiny, ary nentina tany amin’ny biraon’ny zandary ho amin’ny famotorana azy ireo. Ankoatry ny fikasana hampiasa sy hanaparitaka mantsy dia efa henjehin’ny lalàna ny fitazomana vola sandoka. Ny tohin’ny famotorana izany amin’izao araka ny fampitam-baovaon’ny zandary dia ny hamantatra ny niavian’izany ravim-bola izany. Mbola notanana natao andrimaso ho amin’ny famotorana azy moa izy mivady ireto, mandra-piandry ny fanolarana azy ireo eny anivon’ny Fampanoavana.
m.L




