- Publicité -
samedi, mai 17, 2025
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpisoloky fiara gaigilahy saron’ny zandary

Antsirabe : Mpisoloky fiara gaigilahy saron’ny zandary

Efa matihanina amin’ny resaka fisolokiana mihitsy ireto lehilahy saron’ny zandary teto Antsirabe ireto. Efa nahatratra 70 ny olona voasolokiny ary an-tapitrisany maro avokoa no vola azony tamin’ireo.

Ela nitoratorahana ranamana ka izao sarona izao ihany, tamin’ny talata 1 martsa teo  no naharay fitoriana ny zandary fa misy olona ahiahiana ho mpisoloky fiara eto Antsirabe ary mivezivezy eto manao ny asa ratsiny. Tsy nampoizin’izy roalahy ireto teo amin’ny gara ny fisamborana azy tampoka ka tsy afa-niala intsony fa dia noraisim-potsiny teo. Rehefa nosavaina ny fiarany dia hita tao avokoa ny fitaovana fampiasany, toy ny fitombo-panjakana ampolony maro sy taratasina fiara maro be miampy  vola mitentina 2 tapitrisa ariary teo.

Efa zadraharaha amin’ity bizina fiara ity mihitsy moa ity voasambotra ity raha ny filazan’ny zandary, satria dia efa maty paika avokoa ny tetika ary voafehiny tsara ny fizotry ny varotra hosoka ataony. Milaza izy fa manana fiara any amin’ny seranan-tsambo havoaka, asehony ny sariny miaraka amin’ny “carte grise” sy ny sisa, maka vodiodim-barotra izy avy eo miaraka amin’ny taratasy mazava tsara misy ny fifanekena miaraka amin’ny fitomboky ny kaominina. Rehefa azony io vodiondrim-barotra io, dia iny izy no tsy hita intsony. Tamin’ny taona 2015 raha ny fazavana hatrany dia fianakaviana iray no tratrany tamin’io resaka io ka nazahoanay 4 tapitrisa ariary, nisy fianakaviana hafa koa voafitaka ary mitovitovy hatrany ny fisehoany, nazahoany 10 tapitrisa ariary, ary tamin’ny alarobia teo, olona hafa koa nangalany 1 tapitrisa ariary. Ireo lasibatra ireo no nifampiresaka ka izao nahatratrana ireto mpisoky ireto izao.

Ankaotra ireo taratasy hosoka fampiasan’ireto mpisoloky ireto dia manana “carte grise” maro be koa ry zalahy miampy ireny plakety  ahafahana manao antoka ny fiara sy findramam-bola any amin’ny banky na ireny “micro finance ireny. Marihina fa olona mpivezivezy any ivelany ity ranamana ity, avy ao Antananarivo izy fa manana fianakaviana eto Antsirabe, ary maro ny faritra teteziny amin’ny bizina ataony. Raha ny fanampim-baovao voaray moa dia isan’ny  nitory azy ireto koa ny olona iray avy ao Toamasina izay hahazoany 20 tapitrisa ariary.

Andry N.

- Publicité -
Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici