Voasakana ny fitsaram-bahoaka, soa fa tsy lavitrA ny biraon’ny mpitandro filaminana ny tranga ka vetivety dia voaaro ny niavian’ny loza izay tsy iza fa mpitandro filaminana ihany.
Mamo ranamana, tsy nahatana ny familiana intsony izy, fa izay sendra azy dia nofaohiny sy nanaovany amboletra tamin’ny fiara nentiny. Tao ny mpivarotra, tao ny mpandeha an-tongotra, tsy ireo mpanara-dalana fa ireo mpivarotra amoron-dalana dia niharan’ny habibian’ity mpitandro filaminana ity avokoa. Raha ny fanazavana avy tamin’ireo nanatri- maso aloha, dia efa hatrany amin’ny fokontany Amboronomby no nanao ny nataony ity mpitandro filaminana ity. Nandeha mafy hatrany izy, ary tsy nitsahatra nitombo ny hafangainam-pandehany, indrindra rehefa nahazo ampovoan-tanàna. Mpivarotra avokoa moa no manamorona ny làlana atsimon-tsena iny ; izay nolalovany ka tsy vitsy ireo nahita faisana. Nisy tamin’ireo niharan’ny habibiana no tsy nanaiky fa nanaraka ilay fiara tamin’ny môtô sy fiara. Tsy lasa lavitra fa teo am-body fiakarana mihazo ny Hotel des Thermes avy aty Andranomafana, dia voasakana ity mpitandro filaminana.Tsy voafehiny rahateo ny familiana ka nifatratra tany an-tsisin’ny arabe ilay fiara .Soa fa tonga ara-potoana ny mpitandro filaminana mitambatra ka nandray andraikitra ny raharaha ka voasakana ny fitsaram-bahoaka. Nentin’ireo namany nihazo ny biraon’ny kaomisaria izy ary notanana tao miandry izay ho fihavaozan’ny raharaha.
Marihana moa fa dia niteraka resa-be eto Antsirabe ny fahafantarana, fa hisolo ireo mpitantana hentitra eto Antsirabe na dia tsy mbola vita aza ny famindram-pahefana ka mety ho isan’ny anton’izao fihoaram-pefy ataon’ny mpitandro filaminana izao.
Andry N.