Tsy vao sambany akory no misy mitrandraka an-tsokosoko ny vato amin’ny faritra arovana iray ao Ibity Antsirabe II fa efa ela no nahalalana azy ity ka izao tra-tehaka izao ihany ny ampahany amin’ireo mpitrandraka ireo. Miisa 12 hatreto no voasambotra nanomboka ny faramparan’ny herinandro lasa teo. Raha ny fantatra dia anaovan’ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna latsaka alina ny fangalana ireo vato ao amin’ity faritra arovana ity. Tsikaritry ny mponina sy ny MBG misahana ny fiarovana ny faritra izany ka ireto farany no nampandre ny teo anivon’ny ministeran’ny tontolo iainana sy ny borigady Andranomadio eto Antsirabe. Nidina ifotony ireto farany ny alin’ny zoma teo nanao haza lambo ireo mpitrandraka tsy ara-dalàna ireo ka valo lahy no voasambotra tamin’izany. Ireo indray no nanoro ny namany hafa ka nahatonga ny isa ho 12 hatreto. Tsy hijanona eo anefa io isa io raha ny fanazavana, satria mbola maro ireo voatonona anarana sy mpividy ny vato karohina. Marihina fa vato indostrialy ireto misy mitrandraka ireto. Notsipihan-dRtoa Tojo Ratefason, talem-paritry ny tontolo iainana eto Vakinankaratra, fa ny lalàna 2015 005 tamin’ny 26 Febroary 2015 no mandrara ny fitrandrahana anaty faritra arovana ka izany no vesatra iampangana ireo vosambotra.
Andry N.