- Publicité -
lundi, août 18, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpivarotra basy telo lahy voasambotry ny polisy

Antsirabe : Mpivarotra basy telo lahy voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Vakinankaratra ny lehilahy miisa telo manodidina ny 21, 23 ary 25 taona, ny zoma lasa teo tany Antsirabe noho ny fivarotana fitaovam-piadiana mahery vaika. Fantatry ny polisy fa misy andian’olona nikasa hivarotra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy any amin’ny faritra Talata Andraikiba. Niara-nisalahy avy hatrany ireo mpitandro filaminana miasa any an-toerana tamin’ny fikarohana. Natao ny fanaraha-maso, napetraka ny paik’ady sy ny vela-pandrika ka lehilahy telo no sarona tamin’ny toerana kizokizo iray avaratr’i Talata/Andraikiba. Tratra ambodiomby teo am-pivarotana basy « carabine » izy ireo. Nentina avy hatrany eny amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka nanaovana fandihadiana.

Yv Sam

- Publicité -
Suivez nous
414,384FansJ'aime
12,533SuiveursSuivre
1,820AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici