- Publicité -
vendredi, septembre 18, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Mpivarotra basy telo lahy voasambotry ny polisy

Antsirabe : Mpivarotra basy telo lahy voasambotry ny polisy

Voasambotry ny polisy miasa ao amin’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Vakinankaratra ny lehilahy miisa telo manodidina ny 21, 23 ary 25 taona, ny zoma lasa teo tany Antsirabe noho ny fivarotana fitaovam-piadiana mahery vaika. Fantatry ny polisy fa misy andian’olona nikasa hivarotra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy any amin’ny faritra Talata Andraikiba. Niara-nisalahy avy hatrany ireo mpitandro filaminana miasa any an-toerana tamin’ny fikarohana. Natao ny fanaraha-maso, napetraka ny paik’ady sy ny vela-pandrika ka lehilahy telo no sarona tamin’ny toerana kizokizo iray avaratr’i Talata/Andraikiba. Tratra ambodiomby teo am-pivarotana basy « carabine » izy ireo. Nentina avy hatrany eny amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka nanaovana fandihadiana.

Yv Sam

Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici