- Publicité SW45 -
samedi, avril 20, 2024
AccueilFaits-DiversAntsirabe : Nanamarika ny fetin’ny asa ny fisian’ny Sket Be

Antsirabe : Nanamarika ny fetin’ny asa ny fisian’ny Sket Be

Lalao ara-panatanjahan-tena nampitondraina ny anarana hoe SKET BE iraisan’ny orinasa no hetsika iray isan’ny nanamarihana ny fetin’ny asa teto Antsirabe ambonivohitra. Ny orinasan-tserasera Bira Radio tele no tompomarika tamin’ny fikarakarana. Amin’ny maha fifaninana azy izay dia ny Asabotsy 27 Aprily teo no nanomboka ny hetsika ary tsy nifarana raha tsy omaly 1 may. Teo amin’ny araben’ny fahaleovan-tena no nanatontosana ny Sket Be, ka nahatratra 17 ny orinasa nandray anjara. Ankoatra ny hoe fanamarihana ny fetin’ny asa dia tanjon’ity hetsika ity ihany koa ny fampandrosoana ny lalao Basket eto Antsirabe satria lalao isan’ny mahasarika ny tanora ny Basket. Tsiahivina fa vao avy nandray ny lalao nasionaly N1A ny tananan’Antsirabe vao tsy ela akory izay ary nahatratra 5 ny klioban’Antsirabe nandray anjara tamin’io lalao nasionaly io. Taranja iray afaka hifangaroan’ny lahy sy vavy  ihany koa  ny basket ary isan’ny fitsipika napetraka izany hoy Ramanatsoa Minomihamina Lantoniaina tale jeneralin’ny Bira radio tele. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny ligim-paritran’Antsirabe amin’ny basket  teo amin’ny lafiny fitsarana. Andiany voalohany ity hetsika ity hoy hatrany Mino ary  ezahina ny hanatsarana izany isan-taona.

Andry N

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
276,361FansJ'aime
4,243SuiveursSuivre
611AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici