Ankaotra ny fanamafisana ny fitandroana ny filaminana sy fifehezana ny fandriam-pahalemana dia nasongadina tamin’ny fanazaran-tena nataon’ny mpitandro filaminana ny antsoina hoe “gestion democratique de foule” ka ny FDS fa Force de Défense et de Séruté ) ahitana zandary, miaramalia ary polisy no nananteraka izany tao amin’ny place d’Armes Akademia Miaramila Antsirabe na ACMIL.
Fanazaran-tena efa fanao isan’andro ihany izy ity saingy niarahana tamin’ny FDS no nampiavaka azy. Nitaraika ity hetsika ity ny kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Vakinankaratra ny Kolonely Randriampeno Herivelo Samy.
Tanjon’izao fanarazan-tena izao ny hanamafisana ny traikefa efa hananan’ireo mpitandro filaminanna ireo ary indrindra ho fanomanana ny sy fiatrehana ny fifidianana izay ho avy.
Andry N.