Ny faha 10 Jolay 2023 no notendren’i Papa François ho evekan’ny Diosezin’Antsirabe ny Mgr Jean Pascal Andriantsoavina taorian’ny fahafatesan’i Mgr Phillipe Ranaivomanana Eveka nitondra teo aloha. Tsy vahiny eto Antsirabe ny eveka vaovao fa lehibe teto amin’ny tanan’Atsirabe, izy izany no Eveka fahafito hitantanana ny diosezin’Antsirabe.
Tao amin’ny distrika Andraimasina no nanombohany fianarany ary efa niasa sy nisehatra tamin’ny fanabeazana teto amin’ny diosezin’Anatsirabe ny tenany.
Nitana ny toerana Eveka mpanampy tao amin’ny Archidiocèse Antananarivo izy nialohan’ny nanendrena azy ho evekan’Antsirabe izao.
Mitarika, manamasina ary mampianatra ny andian’ondriny no andraikitra sy iraka miandry ny Eveka vaovao ka notolorana ny tehina izy ho mariky ny maha mpiandry ondry azy. « ny fiainana ny finoana, ny fiekena ny fahadisoana ary ny fahaizana mamela heloka ireo raha fintinina ny fammpianarana noetin’ny Eveka vaovao nandritra ny lahateniny. Nifandry an-dalana tamin’ity fotoan-dehibe ity rahateo ny fivaninianana masina natao Antsahasoa.
Mivelatra ny diosezin’Antsirabe satria manana velarantany 16 000km2 manodidina ny 1 400 000 ny kristianina Katolika, misy pretra 165 sy Relijiozy 387 ary katesista 1538 miparitaka amin’ny Diosezy manontolo.
Ny Alahady 17 Septambra 2023 lasa teo, tao amin’ny Fac Similé Antsahasoa, ny fotoan-dehibe nametrahana ny Evaka tamin’ny Fiketrahana masina maha Eveka azy.
Andry N.