Taorian’Antananarivo dia nisitraka ny « maison du numérique » avy amin’ny orinasa YAS ny tanànan’Antsirabe. Ao amin’ny EPP Garbit no nametrahana azy. Efitrano lehibe iray no nasiam-panavaozana, manaraka ny fenitra takiana amin’izany, ahitana solosaina maro miaraka amin’ny « connexion internet ». Marihina fa maimaim-poana izy ity. Natao ho an’ny daholobe io, na dia ao amin’ny sekoly fanabeazana fototra Garbit aza no misy azy.
Hisy ny fampiofanana ny ankizy sy ny lehibe mifandraika amin’ny fahaiza-manaony sy ny fahalalany ny antsoina hoe nomerika, ary afaka misitraka izany daholo ny rehetra, hatramin’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite aza, izay te hisitraka ity tolotra ity. Misy ihany koa ny fampiofanana natokana ho an’ireo vao hanomboka hikirakira ny solosaina sy ny nomerika, ary ny fampitan-davitra na « formation en ligne ».
Tsy handroso mihitsy i Madagasikara raha tsy mivoatra ny fampianarana, hoy Fenitra Ravelomantsoa, angady nananana sy vy nahitana ny « maison du numérique ». Izy no namorona sy namolavola ity tetikasa ity, faniriany ny hanitatra izany manerana ny Nosy. Aorian’Antsirabe dia hisitraka ity tetikasa ity ihany koa ny ao amin’ny renivohi-paritan’ny Toliary sy Antsiranana.
Andry N.




